Ianareo mpianatro (Salamo 18A)

Sas :

Ianareo mpianatro no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo.

 

 

1 - Ny lazan'ny Tompo ambaran'ny lanitra,

Ny asany kosa torian'ny habakabaka ;

Ny andro milaza amin'ny andro manaraka,

Ny alina indray mitantara amin'ny alina.

 

2 - Tsy teny lazainy, tsy vola ambarany,

Tsy feo mba manako horenesin'ny sofina :

Kanefa dia tsinjo eran-tany ny baiko,

Miely tsy tana ny hafatra entiny.

 

3 - Jereo ny masoandro nomeny hilasiana,

Dia ny ranomasina izay midadasika ;

Ka nony miseho izy toy ny mpampakatra,

Mifaly toa olom-pandresy eny an-dalany.

 

4 - Ka ny iandohany dia any antsinanana,

Fa ny hilentehany kosa any andrefana ;

Dia indro henika azy ny tany aman-danitra

Ka samy mandray ny hafanana apariakany.

 

5 - Andeha isika hisaotra ny Tompon'ny lanitra,

Ny Ray izay nanao ny masoandro amy toerany,

Ny Zanaka izay masoandro nirahiny

Hanilo an'ireo izay mandray ny Fanahiny.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0548