I Kristy no naharian'Andriamanita (Salamo 148)

Sas :

I Kristy no naharian'Andriamanitra an'izao rehetra izao :

I Kristy no itsimbinan'Andriamanitra an'izao rehetra izao ;

I Kristy no hamondronan'Andriamanitra an'izao reehtra izao,

rehefa feno ny fotoana.

 

1 - Miderà ny Tompo ianareo 'zay any an-danitra any,

Miderà ny Tompo ianareo rehetra monina any,

Miderà ny Tompo ianareo anjeliny rehetra,

Miderà ny Tompo ianareo, ry tafiny rehetra.

 

 

2 - Miderà ny Tompo, ô ry volana omba-masoandro,

Miderà ny Tompo ianareo, ry kintana mazava ;

Miderà ny Tompo ianareo, ry lanitra avo indrindra,

Miderà ny Tompo ianareo ry rano mitatao.

 

3 - Aoka ireo hidera ny Anara-masin'Izy Tompo,

Fa tsy nisy ireo raha tsy didy avy Aminy tokoa :

Izy Tompo ihany no nametraka azy tsy hiova,

Ka nametra izany ho lalàna mafy tsy dikaina.

 

4 - Ianareo mpanjaka, ianareo vahoaka ts'hita isa,

Ianareo andriana, ianareo mpitsara ny tontolo,

Ianareo zatovo tsy ankanavaka eran-tany,

Ianareo ankizy sy ny zokiolona rehetra.

 

5 - Aoka ireo hidera ny Anara-masin'Izy Tompo,

Fa ny Anara-masiny no avo hany mendri-kaja,

Ka ny fiamboniany avo noho ny lanitra sy tany,

'Reo mpanompo Azy faly mankalaza sy midera.

 

6 - Ts'iza akory fa ny firenena Israely,

'Lay vahoaka tiany, nolalaina hatrany, aleloia !

Zanakao, ry Ray, no miantso anay mba hidera,

Ny Fanahinao izay nomeny anay, momba anay.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.025