Homeko ny Herin'ny Fanahy Ianareo

 

Homeko ny herin’ny Fanahy ianareo e,Ka ho vavolombelokoHatrany am-paravazantanyHo vavolombeloko. (Asa 1.8)

Ihirao antsa vao ny Tompo

Fa mahagaga ny zava-bitany

Fa ny tanany no namonjy

Nanampy azy ny herin-tsandriny.

Ka dia hitan’ny firenena

Ny famonjena amam-pahamarinany

Mba tsarovy, ry Israely

Ilay fitiavany tsy mivadika

He zahao e, ry vazantany

Izato vonjin’Andriamanitra

O ry tany, derao ny Tompo

Ka mientana amin-karavoana

Ndao antsao am-baliha ny Tompo

Anaovy antsy sy fihobiana

Feon’antsiva sy anjomara

Enti-midera ny fiandrianany.

Aok’hidoboka anie ny rano

Ny ranomasina sy ny mponiny

Ka hitehaka anie ny ony

Hitotorebika koa ny vohitra !

Mba hitsena ny Tompo tamy

Hitsara ny olona tsy an-kanavaka

Ary hitsara ny firenena

Am-pahamarinana sy ara-drariny

Andredony antsa vao ry Ray,

Fa mahagaga ny zava-bitany

He ! ny Zanany no maneho

'Lay famonjena efa nosoritany

Ny Fanahiny manan-kery

Afa-manentana antsika zanany

Hanambara amin-kasahiana

Ilay fitiavany tapitr’ohitra !

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099