Hatory am-piadanana aho (Sal 4)

Fiv
Hatory am-piadanana aho : matoky ny foko.


1 - Andriamanitry ny fahamarinana,
Ianao no mahalala izay ilaiko izao :
Henoy ny antsam-pivavahana
Mamindra fo, miantra.

2 - Fa nahoana, ry zanak'olombelona,
No ho voatsiratsira ny Anarako ?
Ireo zava-poana sy ny lainga,
Dia ireo ve no tianareo ?

3 - Matahora ka aza dia manota o
Manenena ao am-po ka mitsahara re !
Manatera sorom-pahamarinana
Matoika dia matokia !

4 - Maro loatra ny olona milaza hoe :
"Iza ihany no hampahita ny hasambarana ?"
Ka ataovy miposaka aminay re
Izany tavanao, ry Iaveh !

5 - Dia hatory am-piadanana aho, ry Tompo o
Ho sondrian-torimaso avy hatrany aho,
Eo am-pelantananao ka tsy manahy re
Eo manko Ianao, ry Iveh !

6 - Ho an'ny Ray Mpahary, voninahitra
Ho an'ny Zanaka Mpamonjy, voninahitra
Ho Anao, ry Fanahy Mpanamasina,
Voninahitra - Amen.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0199