Handeha aho hanomana toerana ho anareo (Sal 15)

Salamo 15 :

Handeha aho hanomana toerana ho anareo,

ka izay misy ahy no hisy anareo.

 

1- Andriamanitra Tompo รด ambeno

f'Ianao re no hany ifefeko,

hasambarako tokana an-tany,

 

2- Tsy mba sitrako intsony tokoa

ireo masina, Tompo eto an-tany,

manandevo 'zay matoky azy.

 

3- Ary koa 'reny sampy hamaroina

tsy hanaovako sorona intsony ;

ts'hotononiko anarana akory.

 

4- Ianao re ry Tompo no lova,

hany zarako mandrakizay,

toeran-tsoa no natokana ho ahy.

 

5- Ka isaorako Tompo Ianao

fa nanolotra saina, fanahy

sy nanoro ny foko hatrany.

 

6- Eo alohako foana ny Tompo ;

tsy hiala an-kavanako Izy ;

ka hisaorako mandrakizay.

 

7- Ts'homby tratra tokoa ny hafaliana

'zay mameno ny foko tontolo

sy manenika 'zato fanahy.

 

8- Ka ny nofoko mandry amin-toky ;

fa tsy foinao ho levona ny aiko,

ny olon-tianao tsy foinao ho faty.

 

9- E ny lalan'ny fiainana izao

dia hotoroanao ahy hatrany,

ka nameno hafaliana ny foko.

 

10- Ho finaritra mandrakizay

'zay mitoetra eo an-kavananao,

hasambarana tsy mety ritra.

 

11- Zanakao no hankany Aminao

mba hanomana lapa ho anay

hideranay ny Fitiavanao

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126