Fo madio no iriko (Sal 62)

1. Fo madio no iriko, Andriamanitra ô,
Hanarahako ny lalanao :
Tanteraho amin'ny mpanomponao
'Zay sitrakao.
Andriamanitra ô, Andriamanitra ô,
Vao maraina no maniry anao ê ;
Andriamanitra ô, Andrimanitra ô,
Ny fanahiko manina anao ê ;
Andriamanitra ô, Andriamanitra ô,
Matimaty aminao e ny nofoko,
Andriamanitra ô, Andriamanitra ô.
2. Ifonako aminao avokoa
Ireny ota nitiavako ny tenako :
Aza afenina ahy, Tompo, ny endrikao,
Tompo be fitia.
3. Ampanirio ao am-poko ny fitiavana
Hanamasina ny androko rehetra ;
Ka hiova ho voninahitrao
Ny asako rehetra.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0907