Eny e, lavitra ny Tompo isika ( Salamo 42 )

Eny e lavitra ny Tompo isika ( Salamo 42 )

Fiv: Eny e lavitra ny  Tompo isika
       Raha mbola aty an-tsesitany
       Nefa kosa ny Fanahy
       Efa antoka ho antsika e.
( 2 Kor 5, 5-6 )

1. Omeo rariny aho Andriamanitro
    Hanohitra 'reo tsy mpivavaka
    Afaho amin'olo-mpamitaka,
    Ianao no Andriamanitra mandako.

2. Nahoana aho re no nilaozana
    Nanjary hanamparan'ny rafiko?
    Tsilovy aho ahita ny lalana
    Tariho mba hahita Azy marina.

3. Hitody ao am-bohitrao masina
    'Lay toerana ataoanao fonenana;
    Handroso aho ry Tompo Andriamanitro
    Higoka ny tena hasambarako.

4. Valiha no hanaraka ny hirako
    Hidera ny Tompo Andriamanitro.
    Nahoana no ory ato anatiko,
    Toa ketraka ianao, ry fanahiko?

5. Angaha manadino Andriamanitra?
    Ao aminy hatrany no ifaharana;
    Izaho mbola hidera ny Anarany
    Fa vonjy Izy sady Andriamanitro.

6. Deraiko  Izy Tompo Andriamanitro,
    Izaho nampidiriny an-tranony
    Ho zanaka tahaka ny Zanany
    Rahefa mandray ny Fanahiny!

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104