Ento ny Jiogako (Salamo 130)

Sas :

Ento ny jiogako, mianara amiko,

Fa malemy fanahy aho, ka hahita fiadanana ianao.

 

1 - Tsy mba miavona ny foko, ô ry Tompo ô,

Ka ny masoko mijery tsy mianjona !

Ireo zavatra vaventy tsy enjehiko,

Ireo avo tsy sahaza alaviriko !

 

2 - Afa-diana ny fanahiko : mamitsaka,

Toy ny zaza afa-po an-tratran-dreniny !

Matokia ny Tomponao, ô ry Jakoba ô,

Hatrizao sy amy taona tsisy fetrany !

 

3 - Ô ry Ray, Ianao mpiahy ny madinika,

Ô ry Zanaka mpitondra fahafahana !

Ry Fanahy, loharanom-piadanana,

Ny fanahiko no miantsa : Voninahitra !

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105