Efa nambaran'ny Tompo ny marina ( Salamo 13 )

     Efa nambaran'ny Tompo ny marina

Fiv: Efa nambaran'ny Tompo ny marina
       Tsisy tsy mahalala an'Andriamanitra
       'Reo afa-misaina amy tany tontolo,
       Nahoana no soloina lainga
       Ny fahamarinan'Andriamanitra?

1. Ny adala manao Andriamani-tsy misy,
    E! simba tokoa ny fisainan'ireny.
    Toetra lomorina, asa tsy mety:
    Tsy misy olo-marina intsony mihitsy.

2. Fa indro eny an-danitra ambony ny Tompo,
    Mitazana ny olon-drehetra eto an-tany,
    Fa sao dia mba misy olon-kendry amin'ireo,
    Dia olo-misaina mitady ny Tompo.

3. Kinanjo tsy misy olom-banona akory,
    Tsy nisy na iray aza olo-mahitsy;
    Tsy nisy azo antsoina ho manam-panahy
    Fa olo-tsy mendrika izy rehetra.

4.Angaha moa tsy fantatr'ireo olon-dratsy
   " Vahoakako anie no ataony sakafo!"
   Vahoaka madinika ataony fanosy;
   Dia fady azy ireo 'zay mba hiantso an'ny Tompo.

5. Indreo fa nangovitra teo ry zareo
    Satria teo anivon'ny tsotra ny Tompo;
    " Ho sahinareo ve ny haneso ny ory?
    Kanefa ny Tompo miandany amin'ireny!"

6. Rarîna ho afaka ianao ry Siôna
    Rehefa hampodiana avokoa 'reo zay babo!
    Lanonana moa izany ataon-dry Jakôba!
    Endrey ny hafaliana amin-dry Isiraely.

7. Ho Anao Ray Mahery. 'lay fefin'ny ory,
    Ho Anao re, ry Fahamarinan'ny Ray,
    Ry 'Lay Mpanambara ny asan'ny Tompo,
    Henoy re fa antsa no ventesinay!

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01