Tompo o, reherehanay

 

 

 

Fiv :

Tompo o, reharehanay
Ny hazofijaliana nahafatesanao ;
Tompo o, reharehanay
Fa nahatonga anay ho zanak'Andriamanitra.


1 - Voalaza fa tao am-paradisa dia nisy izany hazon'aina,
Inoanay fa ny Lakroa no nahazoana ny tena aina.

2 - Voalaza fa i Adama sy Eva no nahavery ny hasambarana,
Inoanay fa ny Lakroa indray no namohana indray ny lanitra.

3 - Voalaza fa ny fialonana no namonoana an'ilay Abela,
Inoanay fa ny Lakroa no hampanjaka ny fihavanana.

4 - Voalaza fa tany Babela no nihahaka ny firenena,
Inoanay fa ny Lakroa no hampiray ny olombelona.

5 - Voalaza fa very hadiovana i Sodoma sy Gomora,
Inoanay fa ny Lakroa no hanamasina ny fitiavana.

6 - Voalaza fa ran-janak'ondry no niaro varavarana,
Inoanay fa ny Lakroa no nirotsahan'ny ra mpanavotra.

7 - Voalaza fa sarin-janak'omby no nivavahana ho andriamanitra
Inoanay fa ny Lakroa no hitivana an'Izy Ray.

8 - Voalaza fa sarim-bibilava dia nahasitrana tany an'efitra,
Inoanay fa ny Lakroa no hahazoana ny famonjena.

9 - Voalaza fa biby nompiana no natolotra ho solon-keloka,
Inoanay fa ny Lakroa no hanalana ny otanay.

10 - Voalaza fa eran'ny tany hisy sorona isan'andro
Inanay fa ny Lakroa no nahazoana ny tena sorona.

11 - Voalaza fa tao an-tempoly dia nipoitra ny loharano
Inoanay fa ny Lakroa no niantso anao, ry Fanahy Masina.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0901