Tamin'ny andro voalohany

1 - Tamin'ny andro voalohany e,
Dia lasa maraina koa,
Lasa nankany amin'ny fasana.
Lasa nankany amin'ny fasana i Maria Madelenina ;
Kanjo indro tsy nampoiziny e,
Fa nikipaka teo ny vato
Nanarona ny atin'ny fasana.
Nankaiza ny Tompo no midanadana ny fasana ? (in-2)
Dia lasa i Maria re e e,
Lasa nankany amin'ny mpianatra
Nilaza ny zavatra hitany :
" Nalain'olona, ho aho i Jesoa Tompo
Ka tsy fantatray izay nanaovany azy a !" ( in- 2)
Fa nahoana re
No fonenan'ny maty a
No itadiavana
Ilay Tompon'ny aina ?
Fa ny voa nafafy tsy maintsy maty,
Raha tsy izany mitoetra eny foana
Tsy hahita ny fahavelomana a.
2 - Izao no andro fitsanganana e
Andresena ny fijaliana
Tambin'ny ota sy ny haizina.
Tambin'ny ota sy ny haizina ny fahorian'ny olombelona !
Izao no andro fitsanganana e
Amelomana ny mpanota
Matory amin'ny fahafatesana.
Tadiavo ny Tompo fa izy no lalan'ny fiainana ! (in-2)
Izao no andro fitsanganana e
Santatr'ilay fampakarana
ho any amin'ny tanin'ny velona.
Raha miara-maty amin'ny Jesoa Tompo,
Hitsangana indray izay manaraka azy a ( In -2)
Efa velona
I Jesoa Tompo,
Fa nandresy, ho aho,
I Jesoa Tompo,
I Jesoa Tompo re
Efa voasoratra tamin'ny boky
Fa hanala ny tany tontolo
Amin'ny gejan'ny fahafatesana a.
Tamin'ny andro voalohany e,
Ilay nijaly ka novonoina,
Efa nitsangan-ko velona ! ( in-2)

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.181