O ry alina tomaratra soa

Ory alina tomaratra soa, ilay Pakan'i Jesoa Mpamonjy

Iravoan'ny tany aman-danitra., iravoan'ny tany aman-danitra.


1.
Tamin'iny alina iny : Lay Mpahary nanmpiposaka

Hazavana soa mamiratra ; hazavana soa mamiratra

Andriamnaitra namorona ny zava-manana aina;

Izy Ray namolavola ny taranak'olombelona.

Mba hizaka ny voaary manontolo sy hitondra 'zany feony

Hiderana an'Andriamanitra Mahefa.

2. Tamin'iny alina iny : raha nanaiky i Abrahama

Mba hisorona ny zanany, mba hisorona ny zanany

Dia nanohana azy mafy ny Anjelin'Andriamnitra

Ary ondrilahy matavy no napetrany ho solony

Nankato tanteraka izy sady nino : fa na maty aza isaaka,

Mahatsangana azy ho velona ny Ray

3. Tamin'iny alina iny : dia ny zanak'i Israely

Sesitany tany Ejipta, sesitany tany Ejipta

No nandao ity firenena nitondrany fahoriana,

Lay taranaka voafidy izay nijaly nandevozina.

Fa mba hamonjen'ny Ray antsika izao : Nandevozim-pahotana,

Dia nomeny ho fanavotana ny Zanany.

4. O, ry Ran'ny Zanak'ondry! Raha naripaky ny Anjely

Ireo matoan'i Ejipta, ireo matoan'i Ejipta

Ka natentina an-tolàn'ny varavarana ianao,

Dia voaaro sy voavony ny taranak'i Isaraely.

Zahay kosa, eny mendrika ho faty : noho ny ota vitanay...

Fa i Kristy namonjy anay tamin'ny Rany

5. O, ry otan'I Adama! Fa voaonitr'Ilay Zanaka

Zanak'Andriamanitra Mpanavotra,

Dia ianao no nahazoanay rehetra ny Mpamonjy

Ka dia mody hafaliana ny alahelo. Sy diovina ny ota ;

Koa mihaona izao ny tany sy ny lanitra.

6. O, ry Rano niampitàna, e nizara roa ianao

Ary maina toa tanety, ary maina toa tanety

Mba hizoran'ny vahoaka izay navotana fahiny,

Notarihin'ilay rahona mazava manjopiaka

Zahay kosa, tamin'ny Ranon'ny Batemy, no nandray ny famonjena

Hahatonga anay ho zanak'Andriamanitra.

7. O, Ianao, ry Alina iny ! E, nahita ilay nijaly

Nofantsihana ianao, nofantsihana ianao :

Ilay maty fa nandresy ka nitsangana ho velona ;

Eny sambatra ianao amin'ny alina rehetra!

O, ry alina tsilovin-jiro izao! Mankalaza anao izahay,

Noho ilay Kristy Fahazavana.

8. O, ry alina handraisana! Eny, ho avy toa mpampakatra

I Kristy Jesoa, i Kristy Jesoa,

Amin'ilay mamatonalina tsy hampoizina hiverina

Hanafoana ranomaso, fahoriana mbamin'ny haizina ,

Miaraka aminy izahaya ankehitriny mba higoka dieny izao

Ny hasambarana amin'ny Fanasan'ny Ray.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101