Eny tanteraka, ny zavatra rehetra

 

 

Eny tanteraka ny zavatra rehetra !
Masonay efa nahita, sofinay efa nandre
Ny zava-mahagaga nataon'izy Tompo !
Masonay efa nahita, sofinay efa nandre
Fa Zanak'Andriamanitra tokoa i Jesoa !
Izy no Amen ! Aleloia ! (2Kor. 1, 20)

1- Efa niseho tamin'ny mpifatotra an-tranomaizina
Ny Anjelin'ny Tompo, nanapaka gadra, namoha hidin-trano,
Naniraka hoe : "andeha, tantarao amin'ny havanareo
Izay vitan'ny Tompo nataony anareo :
Fa mahery ny Fanahiny... !

 

 

2- Efa niseho tamin'ny mpanenjika ny olo-marina
Ny Anjelin'ny Tompo nandefa hazavana, nanjemby ny maso,
Naniraka hoe : "andeha, tantarao am'ireo efa mino
Izay vitan'ny Tompo, nataony anareo :
Fa mahery ny Fanahiny... !

 


3- Efa niseho tamin'ny mpianatra niombom-bavaka
Ny Anjelin'ny Tompo, niseho hita maso, nanampy hiteny,
Naniraka hoe : " andeha, tanatrao am'ireo firenena
Izay vitan'ny Tompo nataony anareo :
Fa mahery ny Fanahiny... !

 

 

4- Efa niseho tamin'ny mpianakavy izay tafavory
Ny Anjelin'ny Tompo, nitondra hafaliana, nanolotra saina,
Naniraka hoe : "endeha tantarao am'ireo efa mino
Izay vitan'ny Tompo nanatony anareo :
Fa mahery ny Fanahiny... !

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1855