Efa manana Mpisorom-be

Efa manana mpisorom-be niakatra namakivaky lanitra isika (2x)

Jesoa Zanak’Andriamanitra

Ka aoka ho tanan-tsika tsy hivaona ny finoana efa nankatoavin-tsika

Fa manana mpisorom-be mangoraka isika

Mpisorona itokisana fa sitraky ny Ray

Tsy mpisorom-be tsy afaka mangoraka ireo halemena izay mpahazo antsika (2x)

Fa mpisorona efa niaritra ny mafy tamin’ny zavatra rehetra toa antsika

Nefa kosa tsy nanota

Koa handroso am-pitokisana hanatrika ny seza fiandrianana isika (2x)

Mba hositrak’Andriamanitra hahazo ny indrafony mba ho famonjena antsika

Amin’ny andro ilana izany

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0783