Teraka anio

Teraka anio mba hanavotra antsika ie,

'Lay tena Mpanjaka sy Tompo tsitoha iô.

Misaora azy indrindra, samia mba midera ie,

Fa ny lapan'ny lanitra izao no mivoha iô.

 

1. Bozaka kely sy vilona foana ie

No solon-kidoro nataony fandriana iô. (indroa)

 

2. Biby miraoka no indreo mba mijery ie,

Manontrona 'lay Zazakely tomany iô. (indroa)

 

3. Biby mihoraka va re izany ie

Manaitra an'ilay zazakely matory iô. (indroa)

 

4. Ny feon'anjely manerana an-tany ie,

Manerana izao sasakalina izao iô. (indroa)

 

5. Noely malaza manaitra ny saina ie,

Midina aty mba hamonjy ny aina iô. (indroa)

 

6. Ny trano madio dia tsy mba nahoany ie,

F'ilay tranon'omby no trano nofidiny iô. (indroa)

 

7. Hampianatra antsika ny fanetren-tena ie

Hizorantsika amin'ilay paradisa iô. (indroa)

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2396