Ny anjely any antsaha

Fiv: Gloria in excelsis Deo.

Iza no hirainareo
Mpiandry ondrin'ny tanana
Iza no omenareo
Izao hira ataonareo izao ? 

I Jesoa Mpamonjy Masina
Nandrasana izay ela izay
Teraka any Betlehema
No itondranay hira vao.

Inona avy no hoentina
Hanasinana ny Mpamonjy
Fo tia sy fo mivalo
No hasina ilain'i Jesoa.

'Zahay tsy ho diso anjara
Hiditra ao an-tranonao, Jesoa
Hamaly fankasitrahana
Ny soa omenao anay.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096