Faingàna, rey olona

Faingàna, rey olona, hanatona an'i Jesoa

'Zay fanazavàna ny fanahintsika.

1. Tonga ny Mesia, ilay Tompon'Aina,

Koa mba manatòna ny Mpamonjintsika.

 

2. Indro ny anjely faly sy variana,

Ka mihoby azy any an-danitra any.

 

3. Mahafatifaty ilay Zazakely

teraka any an-tsaha any Betlehema.

 

4. Izy no namorona tany aman-danitra,

Ka ny tranon'omby no trano fidiny.

 

5. Mampangorakoraka ny fanetren-tenan'

Ny nanao antsika tonga namantsika.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139