Efa Teraka ao Betlehema

Fiv : Efa teraka ao Betlehema

I Jesoa Zanak'Andriamanitra ;

Efa teraka ao Betlehema

Derao ny Mpanavotra antsika.

 

 

1 - Mba jereo, ry Kristianina, 'lay Zazakely mitomany ;

Mba jereo, ry Kristianina, ny manjo an'ny Tompontsika.

 

2 - Ny fitoerana nofidiny dia ny tranon'omby ratsy,

Ny fitoerana nofidiny mampitsetra ny fo rehetra.

 

3 - Inona no tokony hoentintsika ho an'i Jesoa Zazakely,

Inona no tokony ho entintsika, inona moa raha tsy ny fo ?

 

4 - Omenay Anao ry Jesoa, ny fonay sy ny tenanany ;

Omenay Anao ry Jesoa, raiso ny fanomezanay.

 

5 - Mankanesa amin'i Jesoa, ry mpanjaka avy antsinanana,

Mankanesa amin'i Jesoa, hanome Azy fanajana.

 

6 - Anao ny fahefan-drehetra, ry Jesoa Tompo maminay

Anao ny fahefan-drehetra, manjaka aminay Ianao.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1485