Ry Renin'Andriamanitra

1- Ry Renin'Andriamanitra, midera anao 'zahay

fa Izy 'lay Mahefa ka nahary ny tontolo,

namolavola vatana natokany ho anao

hiteraka ny zanak'Andriamanitra rehetra !

 

Eny Ry Maria รด, ry Eva vaovao

natokan'Andriamanitra ho reninay ianao

ny fony be fitiavana nafindrany aminao

ka nentiny hanasoavana an'izao tontolo izao.

 

2- Ry Renin'Andriamanitra, midera anao 'zahay

Fa Izy 'lay nifantina ny Razanao fahiny

nanoro anao mba hino 'zay voalaza taminao

ka hino koa ny zanak'Andriamanitra rehetra !

 

3- Ry Renin'Andriamanitra, midera anao 'zahay

Fa Izy 'lay tsy miova raha manao fifanekena

nanampy anao hijoro sy hanantena am-pitokiana

ho taratry ny zanak'Andriamanitra rehetra !

 

4- Ry Renin'Andriamanitra, midera anao 'zahay

Fa Izy 'lay naniraka ny Zanany ho mpamonjy

nanainga anao ho tia izay nataony taminao

hitiavanao ny zanak'Andriamanitra rehetra !

 

5- Ry Renin'Andriamanitra, midera anao 'zahay

Fa Izy 'lay nandefa ny Fanahy Mpandavorary

nambomba anao hatrany mba ho lavorary Ianao

ho santatry ny zanak'Andriamanitra rehetra !

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179