Reny mpitari-dalana

Reny mpitari-dalana o, ry Masina Maria

O ry kintana ambony e, tantano ny dianay

 

Fa ny fiainanay e, dia toy ny lalan-tery

Miakatra an-danitra any, hitody amin’ny Ray

 

Fa ‘zahay tanora e, mikasa ho zanakao e

Indrisy be fahavalo mitady hisompatra anay

 

Ny fianaranay e, ampio ho tody soa e

Ahafanay mampivoatra ny tanindrazanay

 

Ka ny hoavinay e , ilay anjara koa e

Iezahanay isanandro ankininay aminao

 

Raha maniasia e ! antsoy fa zanakao e

Ho toy lay zaza mpandany hiverina an-tranon-dRay

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.093