Ny Foko Midera ny Tompontsika

[Tononkiran'i Maria - Lioka 1 : 46-55]

 

1 - Ny foko midera ny Tompontsika,

Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra

Noho Izy mpamonjy nitsinjo ahy

'Lay Mpanompovaviny tsinontsinona.

 

2 - Fa indro manomboka ankehitriny

Hantsoin'ny taranaka : "Sambatra" aho.

Nahavita be tamiko ilay Mahefa,

Ilay hoe "Ny Masina" no Anarany.

 

3 - 'Lay mandrakizay ny indrafony

Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,

'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry

Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.

 

4 - Manongana ireo izay mpanjakazaka
Kanefa manandratra ireo ambany ;
Manototra soa an'ireo noana
Fa mampody maina an'ireo mpanana.

 

5 - Mpanarina an'Israely olony

Satria mahatsiaro ny indrafony

Nampanantenainy ny Razantsika

Ho an'i Abrahama sy izay taranany.

 

6 - 'Lay Ray be fitiavana mba derao

Hobio 'lay Zanany tonga nofo,

Ar'koa ilay Fanahy Mampiray antsika

Ho mandrakizay alaovalo.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1106