Masina Maria o, Renin'Andriamanitra

Masina Maria o, Renin’Andriamanitra
Hitehirizo fo madio aho
Toy ny loharano tsy misy tsingala, tsy misy tsingala

Masina Maria o, Renin’Andriamanitra
Fo tsotra no angatahiko
Tsy hikombona amin’ny dona mandratra, ny dona mandratra

Masina Maria o, Renin’Andriamanitra
Fo mahay mankasitraka
Tsy mitana an-dolom-po amin’ny ratsy, amin’ny ratsy

Masina Maria o, Renin’Andriamanitra
Mba omeo hamoram-po aho
Hietry tena hatrany na misy mpitia, na tsisy mpitia

Masina Maria o, Renin’Andriamanitra
Mba ho fo tsy mora tofoka
Fa hisokatra amin’izay mankahala, izay mankahala!

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101