Mankalaza e mankalaza

Mankalaza e mankalaza, mankalaza Anao ry Tompo,

ny foko, sy ny fanahiko, Andriamanitra รด ;

falifaly e falifaly, falifaly ao aminao

ny foko, ny fanahiko, ry Mpamonjy ahy.

 

1- Na bitika aza aho, na tsinotsinona

notiavinao aho mpanomponao ;

taranaka mifandimby no indro hidera ahy hoe sambatra,

fa soa lehibe tokoa no nataon'Izy Tompo ho ahy :

ny Masina no anarany.

 

2- Fa tsofiny rano ny taranaka,

taranaka amam-para matahotra azy ;

ny heriny dia nampariny handrava ireny mpiavonavona,

naongany fahefana ireo nalaza ho miezinezina :

ny bitika no nasandrany.

 

3- Ny noana fenoiny zava-tsoa,

ny mpanan-karena dia noroahiny ;

navotany ilay vahoaka voafidy efa nekeny hotiavina,

tsarovany lalandava ny dina tamin'ny razantsika :

hotiaviny omban-taranaka

 

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0769