Mananjara ianao Maria

1- Mananjara ianao Maria raha samy tovovavy

f'eo imason'olombelona

tsy mba veriny tadidy ny hatsaran-tarehinao

f'eo imason'Izy Tompo

tsy mba veriny tadidy ny hatsaram-panahinao !

 

2- Mananjara ianao Maria raha samy tovovavy

f'eo imason'olombelona

tsy mba veriny tadidy raha ny firazananao ;

f'eo imason'Izy Tompo

tsy mba veriny tadidy ny finoana niainanao !

 

3- Mananjara ianao Maria raha samy tovovavy

f'eo imason'olombelona

tsy mba veriny tadidy ny anaran-janakao

f'eo imason'Izy Tompo

tsy mba veriny tadidy fa nahay nanaiky ianao !

 

4- Mananjara ianao Maria raha samy tovovavy

f'eo imason'olombelona

tsy mba veriny tadidy ny herim-po nananao

f'eo imason'Izy Tompo

tsy mba veriny tadidy ny fon-dreny netinao !

 

5- Mananjara ianao Maria raha samy tovovavy

f'eo imason'olombelona

tsy mba veriny tadidy ny fahaizanao nangina

f'eo imason'Izy Tompo

tsy mba veriny tadidy ny fa nanetry tena ianao !

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133