Kintana mpitari-dalana

1. Kintana mpitari-dalana
Manara-maso eny ambony,
'Ty mpivahiny mizotra
Matoky anao e, Maria.
Kintana mpitari-dalana
manara-maso eny ambony,
'Ty mpivahiny mizotra
Matoky anao e, Maria ô ;
Kintana mpitari-dalana,
Tsinjovy ny diako.
2 'Ty lalan-kely be tsilo
Mety handrovitra anay ;
Savasavao mba tsy hisy
Handratra ny tenanay.
3. Ny lalana migodàna,
Lalana be fotaka
Ao koa ny mampikorosy,
Malama maina tokoa.
4. Miolikolika loatra
'Ty lalana izorako,
Sady be vato mandavo,
Fandrika ataon'ny demony.
5. Ny lalanay eto an-tany
Rakotry ny zavona,
Zohy sy ala mangina,
Toa alina maizim-be.
6. Ry zanako, halaviro
'Zay vato sy fotaka ;
Nefa raha sendra ka lavo,
Raiso ity tanako ity.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1628