Ry Jesoa Mofon'aina

               Ry Jesoa Mofon'aina

FIV: Ry Jesoa mofon'aina, Ry Jesoa mofom-pitiavana
       Ianao no mofo velona, nidina avy any an-danitra (2)

1- Hasambarana tsy lany eo anilanao
     No honenako hatrany, ry Tompo ô!
     Ndrey 'zany hafaliana ao an-tranonao
     Ianao no mofo velona, mofon'ny fiainako

2- Ianao no lalana sy fiainana
    Ary fahamarinana, ry Tompo ô
    Tsapako ao anatiko ao ny fitiavanao
    Izay mameno ny fiainako hatramin'izao

3- Raha sendra ka manonja ny fianako ety
    Toa maizim-be, ry Tompo ô
    Indro tazako Ianao miantso hoe: "Avia"
    Izaho no Tomponao, sy hasambaranao

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103