Ry Jesoa Kristy Tomponay

Ry Jesoa Kristy Tomponay

1. Ry Jesoa Kristy Tomponay ao anatin’ny Eokaristia

 

Ny feonao manasa anay mba ho avy hanao komonio

 

Indrisy vitsy no mamaly ny antsom-pitiavanao

 

Fa maro no miala tsiny mankamamy izao tontolo izao

 

2. Fahiny tany Palestina be ny rofy nositraninao

 

Midina ka esory koa ny aretin’ny fanahinay

 

Midina ry Mpamonjy Masina vonjeo ny halemenay

 

Fa 'zahay Malagasinao manantena sy matoky anao

 

3. Ry Jesoa sasa-miandry lava ao anatin’ny Eglizinay

 

Rahefa mandalo izahay mba hivily sy hamangy anao

 

Kanefa indray andro any rahefa ho faty izahay

 

Tongava hatrany aminay mba handray ny fara sentonay

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0213