Ny foko ry Andriamanitra

Ny foko ry Andriamanitra
Maniry ny hhaona Aminao
Henoy ny fisentonsenton’ny foko te handray Anao

Mba lehibe ny hafaliana
Azo amin’ny komonio
Ny Tenanao ry Jesoa Tompo
Efa ho tonga ao am-poko

Ambonin’ny ôtely masina
Ianoano mitsinjo ahy
Avia ry mpanavotra ahy
Fa mamiko ny Tenanao

Tsy mendrika handray Anao aho
Ry Jesoa Tompon’ny foko
Fa mitenena teny tokana
Ho sitrana ny fanahiko

Mba tiako ny hamamian’
Ny Mofon’ny Anjelinao
Fa Izy no fiainanay sy herinay sy tokinay

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1597