Ny endrikao ry Jesoa

Ny endrikao ry Jesoa o
No takona aminay izao
Fa ny finoanay mahita Anao
Anatin’ny Hostia

 

Jesoa o, omeo anay
Finoana mafy sy tsy miova
Hilazanay lalandava hoe
Mino Anao izahay

 

Tantanonao ry Jesoa o
Izany dianay aty
Fa izahay manantena Anao
Anatin’ny Hostia

 

Jesoa o, omeo anay
Fanantenana hahita Anao
An-danitra any rahatrizay
Manantena izahay

 

Fitiavam-be ry Jesoa o
No itoeranao lalandava
Iandrasanao isanandro
Anatin’ny Hostia

 

Jesoa o, omeo anay
Ny fanirina tsy te handao
Tsy te hisaraka Aminao
Fa tia Anao izahay

Hevitra mandeha

loso ( 04/01/2013 17:45)
Anisan'ny hira mahafinaritra ahy indrindra na ny tonony na ny feona sy ny fitiavana hampahalalan'ny tonony amin'ny hira katolika

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.056