Mitoera eto amiko

Mitoera eto amiko, ô ry Jesoa be fitiavana

Saro-tahotra ny foko sady mora mianjera

Ny sakaiza mora miala toy izany koa ny havana

Iza no hiaraka amiko, ô ry Jesoa mitoera (2x)

Fantatrao fa tia Anao, ‘zany foko sy ny heriny

Isanandro vao mifoha, lasanao ny eritreriny

Raha tesotra ny onja tamin’ny sambon’ny fiainako

Fantatrao fa taminao no hanyniotarainako

Fantatrao fa osa loatra ty fanahy fadiranovana

Zay miantso Anao tsy tapaka eto an-tany fandalovana

Raha noana indray ny foko fa nidaboka sy lanaka

Fantatrao fa nifanoho ny fijerintsika mianaka

Fantatrao fa nanantena lalandava ny fanahiko

Reny bitsika mangina ao anaty ny angatahiko

Taha torovana ny foko tena kivy sady reraka

Zany foko kivy izany hanantena anao tanteraka

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1381