Inty ny ora sarobidy

Inty ny ora sarobidy itsanganako

Andraisako ny Tenanao ry Jesoa mamiko

Tsy dia mendrika aho ny hotsidihinao

Kanefa sitrakao ka avia re!

Ô! sambatra aho re!

 

Nandray ny Tenanao ny foko ry mpamonjiko

Ka heni-kafaliana ny fanahiko izao

Mitsaoka Anao re, misaotra Anao re

Tsy hitako izay havaliko!

Ô! sambatra aho re!

 

Mba tsofy rano aho sy ny havako rehetra

Sy izay mpanao soa anay sy ny sakaizako

Ho tia anao re, tsy mba handao Anao

Ka samy mba ho tonga an-danitrao

Ô! sambatra aho re!

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0669