Indray hariva izay ry Jesoa Tompo o
Nanolo-tena Ianao ho fitiavana anay
Fiv:
Mino aho Tompo ka te handray Anao
Ianao no Mofo velona avy any an-danitra
Nohamasininao ny mofo sy ny divay
Ka tonga Vatanao sy Ranao mpanadio
Fa velona Izy Ray, velona ao Aminy Ianao
Ka velona ao Aminao izay mandray Anao
Raha avy ny farandro, hasehonao Tompo o
Fa velona ao aminao izay nandray Anao
Masoandro lohataona ilay fitiavanao
Mamelombelona anay sy izao tontolo izao