Efa amiko i Jesoako

Efa amiko i Jesoako

Tompo nandrasan’ny foko

Izy mitoetra ao am-poko

Izy miray tena amiko

Fiv :

Ry Jesoako, mba manjakà

Ao am-poko, mandrakizay

 

Ilaozako ny fahotana

Sy ny fanao tsy tianao

Ozoniko ny lainga foana

Nampianarin’ny demony

 

Zay tianao no tiako

Zay halanao no halako

Ka ny fonao no fidiko

Honenako mandrakizay

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0533