Tonga Eto Izahay

1 - Tonga eto izahay,

Tonga eto anilanao,

Ry Jesoa Tompo tia anay

Tia anay zandrinao.

 

Fiv :

Mamela ny helokay

Jesoa Kristy tsara fo,

Ekenay ny didinao,

Ka hotandremanay avokoa.

 

2 - Marobe ry Jesoa o,

Tsy voaisa ny fahotana

Nanoheranay Anao

Tena mampalahelo.

 

3 - Nefa izao ry Jesoa o

Manampia anay Ianao,

Mba hiova izahay

Amin'ny toetranay.

 

4 - Tantanao ry Jesoa o

Fa malemy ny zandrinao ;

Te hanara-dia Anao

Eto sy any an-koatra.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103