Ndre Mijoro (Feo: Stabat Mater)

 

 

1 - Ndre mijoro Reny ory

Teo am-pototry ny hazo

Nifantsihan-janany.

 

2 - Teo ny fony ontsa mafy

Feno senton'alahelo

Tanterahin-defona.

 

3 - Tena vonton'alahelo

Ndrisy Reny masina anie

Maty Lahitokana.

 

4 - Nitoloko velon-tsento

'Zaho Reny be fitia

Fa mijaly sombin'aina.

 

5 - Iza no tsy hitomany

Rah'mibanjina 'lay Reny

Tototry ny fahoriana ?

 

6 - Tsy hangoraka iza moa

Rah'mijery 'zato Reny

Ory toa an-Janany ?

 

7 - Noho ny otan'ny vahoaka

Jesoa hitany mijaly

Rotiky ny kapoka.

 

8 - Hitany 'lay Sombin'aina

Safotr'alahelo mafy

Raha misento miala aina.

 

9 - O ry Reny be fitia,

'Zany sentonao ho reko

Ranomaso hiombonana.

 

10 - 'Zaho anie hirehi-pitia

An'i Jesoa Zanahary

Ka hanao 'zay sitrany.

 

11 - Maria Reny malahelo,

Soraty raikitra am-poko

Ny ferin'ny Zanakao.

 

12 - 'Zao ny Zanakao ho ahy

Ndre maratra sy mijaly

Aiza ny anjarako ?

 

13 - Hiaraka ory aminao

Sy Jesoa mifantsika anie

Mandra-pahafatiko.

 

14 - Eo am-pototry ny hazo

Hiaraka ory aminao,

'Zany tena sitrako.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1947