Mitsangana ka banjino

 

 

(Heb 12 : 1 - 4)

Sas :

Mitsangana ka banjino
Ilay andry ijoroan'ny finoantsika.




1 - Koa satria manko maro ny olona
'Zay mitsangana ho vavolombelona :
Akipaho re 'zay enta-mavesatra,
Alaviro ny ota mandrendrika.
Mahareta ary isika miezaka
Mba handresy amin'ny ady hatrehina !




2 - Mibanjina ilay ohatra velona,
Mampitombo finoana hivelatra ;
'Lay nahazo nifidy hafaliana
Nefa kosa nanaiky hofantsihana ;
Tsy nanaiky handositra ny henatra !
Kanjo havanan'ny Ray no mipetrka.




3 - Mba hevero 'lay niaritra ny enjika
Nokotrehin'ireo olo-meloka,
Mba hevereo 'zay efa niaretany
Am'izay ianareo tsy ho ketraka ;
Tsisy ranareo mbola raraka
Tamin'ny ady manohitra ny heloka.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097