Kristianina, mihevera

1 - Kristianina, mihevera - ny nanjo ny Tompontsika,

Tomanio ny Ra Masina - nanavotany antsika.

Fa ny hadisoantsika - nanariany ny Ainy ;

Koa manaraha Azy isika - hiara-maty Aminy.

 

2 - I Jesoa mivavaka ela - ao an-tany mangingina ;

Ady mafy manjo Azy - ka ny fony toa malaina.

Fa maniry te ho faty - ary toa rera-po indray ;

Ny ho faty nofidiny - hanome aina ho antsika.

 

3 - I Jodasy manoroka Azy - ka nafatony i Jesoa,

Entina Izy hovonoina - ka natao ho solontsika

Mba Jodasy koa ny mpanota - sahy manao Komonio

Amin'ny fo misy ratsy - tsy voalaza amin'ny Ray.

 

4 - Izy entin-kohelohina - amin'ny mpisorom-be,

'Zay malain-kanaiky Azy - ho Andriamanitsika.

Fa i Jesoa mbola hitsara - 'zay mitsara Azy rehetra ;

Ho renao ny fitsarany - ka tsy handa ianao.

 

5 - Izy miasa hamonjy - fa ompan'izay vonjeny,

Ary i Piera manda Azy - manao hoe "tsy fantatro".

Fa i Jesoa mitodika azy - amin'ny maso miantra,

Ka manisy nenin-tsara - sy fikasana ao am-pony.

 

6 - Loza indray ny manjo Azy - tao an-tranon'i Pilaty,

Ny vahoaka manolotra Azy - hatakalo an'i Barabasy :

Ratsy izany toetra izany - mahafoy an'i Jesoa,

Manameloka ny marina - ka mandefa ny jiolahy.

 

7 - Tsilobe mifantsi-dalina - ao an-kandrin'i Jesoa ;

Izy lohantsika menatra - fa manaram-po isika.

Izy ory sy mijaly - amin'ny Ainy rehetra ;

Ary isika tsy maharitra - fijaliana kely foana.

 

8 - Izy mandroso milanja - hazo mavesatra be.

Teo ambony Kalvery - Izy no milaza hoe :

"Ry Raiko, mba iantrao - 'zay manala ny aiko"

'Zay no famaly tsara - 'zay manao ratsy antsika.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133