'Zany Teninao

 

1 - 'Zany Teninao, ry Tompo, Hazavana

'Zay manilo ny vahoaka mino Anao

Ka manafaka azy hiala anaty haizina

Nandrakotra an'izao tontolo izao.

Koa enga anie mba hino Anao 'zahay

Mba handraisanay ny Teninao

F'Ianao no sitrak'Andriamanitra

Ho lalam-pamonjena izay hizoranay.

 

 

2 - 'Zany Teninao, ry Tompo, tena Hery

Hitokian'ireo 'zay manantena Anao :

Na ho levona aza izao tontolo izao

Ny Teninao tsy miova fa nandresy Ianao.

Koa enga anie hatoky Anao zahay

Hitazomanay ny Teninao

F'Ianao no sitrak'Andriamanitra

Ho fahamarinana 'zay hianteheranay.

 

3 - 'Zany Teninao, ry Tompo, tena Aina

Iveloman'ny vahoaka tia Anao.

Nositraninao ny rofiny rehetra,

'Reo 'zay nodimandry dia natsanganao.

Koa enga anie ho tia Anao 'zahay

Ho sakafonay ny Teninao

F'Ianao no sitrak'Andriamanitra

Ho Aina ivelomanay mandrakizay.

 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0217