Tsy zakan'ny olombelona novesaran'ota ny marina

Tsy zakan'ny olombelona novesaran'ota ny marina

Tsy zakany ka novonoiny tsy ho eo anivony ny Tompo !

 

1- Fa 'Jesoa Tompo Filohantsika,

dia olona afaka lalandava :

tsy nety nandefitra ny tsy rariny,

ka tsy mba voafatotry ny henamaso !

Eny ê! eny ê, 'zany tokoa ny Filohanatsika ,

Eny ê! eny ê, 'zany tokoa i Jesoa Tompo.

 

 

2- Fa 'Jesoa Tompo Filohantsika,

Nahatafitohina ny vahoaka :

satria sahy nanandratra ireo ambany,

'reo fanosihosin'ny mpiara-belona !

 

 

3- Fa 'Jesoa Tompo Filohantsika,

dia nohelohin'ny fitsarana

satria sahy nitsipaka izay lalàna

namoritra ny olona tsy ho afaka !

 

 

4- Fa 'Jesoa Tompo Filohantsika,

nandidy antsika hifankatia :

tsy nety nanaiky ny valy faty,

nampianatra antsika hifamela heloka !

 

 

5- Fa 'Jesoa Tompo Filohantsika,

dia nanambara amin-kasahiana :

fa hoe Zanaka tian'ny Ray

isika olombelona tsy ankanavaka

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099