Tompo ô lehibe marina ny fitiavanao anay

Fiv. : Tompo ô (2x) lehibe marina e ny fitiavanao anay e

  1. Zanaky ny avo indrindra ianao nanetry tena e

Tonga taty aminay ianao nanavotra anay

  1. Niaritra ny fiainanay ianao, nanjary mpiasa e
  2. Vizaka nitory teny ianao nitety tanàna e

  3. Tsy mba niseho ho mpanjaka ianao fa te ho mpanompo e
  4. Nanasa ny tongotr’i Piera ianao sy ny apostoly

  5. Nanaiky ho samborin-kijaly ianao hanafaka anay e
  6. Nanaiky ny fahafatesana e hamelona anay e

  7. Nanao ny Eokaristia ianao hamahana anay e
  8. Namela ny didim-pitiavana e hampiray anay e

  9. Nitsangan-kovelona indray Ianao mba ho hery sy aina e

Nandefa ny Fanahy Masina e maha-zanaka anay e

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0095