Tompo ô, hitako maso

Tompo ô, hitako maso
‘Lay famonjena avy aminao
Nomaninao ho an’ny vahoaka
Eran’izao tontolo izao.

1. Azonao alefa amim-piadanana amin’izay
Ny mpanomponao araka ny teninao (indroa)

 

2. ‘Lay hazavana natao hanilo ny firenena,
Voninahitray vahoaka voafidinao. (indroa)

 

3. Dia ilay Mesia Zanakao ka nirahinao
Mba hitondra anay hidera ao an-danitra ao. (indroa)

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0096