Ry Tompo Andriamanitra Andriananahary

1. Ry Tompo Andriamanitra Andriananahary
Nasainao manohy ary mandavorary
Ny zava-boaary eran'-tany izahay :
Mitory fitiavana lalina izany.
Nomenao ho ohatra ilay Zanakao, misaotra e,
Ka niasa, nisasatra teto aminay, misaotra e,
Manjary asa masina izao ny asanay, misaotra e ;
Mitory fitiavana lalina izany, misaotra e.
2. Matoky 'zahay fa mitantana ianao,
Manoro 'zay asa sahaza ho anay,
satria sitrakao ny hahasambatra anay :
Mitory fitiavana lalina izany.
Ry Rainay Mpahary, tahio ny asanay, tahio e,
Tahio mba ho mendrika marina anao, tahio e,
Fa miaraka miasa amin'i Jesoa izahay, tahio e,
Manomana tany sy lanitra vao; tahio e.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0197