Fiv : Ny Tenin'ny Tompo
1- Ampionony ny fon'ny vahoaka :
lazao ao am-pony ry Jerosalema
fa tapitra ny andron'ny fampahoriana,
ny ota nataony voavela avokoa,
satria fikapohana in-droa miatoana
no efa nataon'ny Tompo azy ireo.
2- Injay misy feo manao antso avo :
"Amboary ny làlan-kizoran'ny Tompo :
ny sakelin-dàlan-drehetra ahitsio,
totofy avokoa ireo lohasaha,
ireo tendrombohitra mbamin'ny havoana
ataovy mitovy torosy daholo.
3- Hiseho am'izay ny herin'ny Tompo,
dia 'lay voninahiny ambony tokoa,
mba samy hahita an'izany avokoa
ny olon-drehetra na iza na iza.
Ny Tompo mahery no efa niteny.
Ilay Zanahary no efa nivolana !
4- Injay misy feo manao hoe : Antsoy !
Dia nisy ny teny namaly an'izany :
"ahoana ny antso 'zay mety hataoko?"
Ahitra ihany ny nofo rehetra.
Koa tahaka ny vony mamelana an-tsaha
ny hatsaran-tarehiny kanto dia kanto.
5- Malazo ny vony, maniry ny ahitra,
reh'fa seranin'ny Ain'Izy Tompo.
Dia ahitra ihany ny olo-miaina ;
malazo ny vony, maniry ny ahitra.
Fa tsy mba izany ny Tenin'ny Tompo
fa Teny maharitra mandrakizay.