Ny Teninao Andriamanitra

1 - Ny teninao Andriamanitra o,
Dia feno fitiavan-dehibe
Ny teninao mandresy lahatra
Manakantsakana izay mania

Fiv :

Ampianaro aho, Tompo o
Hanambara ny fitiavanao
Hanompo anao Andriamanitra o
Sambatra aho raha eo anilanao.

 

2 - Ny Teninao Andriamanitra o,

Dia fahavalom-pahafatesana

Hatrany ampasana aza no mandre

Ny maty dia ho velona indray.

 

3 - Ny Teninao Andriamanitra o,

Dia hazavana manjopiaka

Fiadanana mahafa-po

Ho an'ny olona izay mankatò

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0848