Nateraky ny Fiangonana isika

Nateraky ny Fiangonana isika,

fa ao aminy ny loharanon'aina

sitrak'Andriamanitra hahazanaka antsika. (1Tit 3, 5)

 

1- Ry Siôna, ry siôna !

eny an-tendrombohitra masina

no naorin'ny Tompo ianao,

Ilay Tompo tsy mahafoy anao !

 

2- Ny fonenan'i Jakoba,

maromaro ihany izy ireny,

f'ianao no andrian'ny fony

tiany mihoatra ny sisa rehetra.

 

3- Ry Tanànan'Izy Tompo !

Andriamanitrao mitantara

zava-maro malaza tokoa,

'zao no tena anandratany anao !

 

4- "I Rahaba s'i Babela :

mahafantatra ahy izy ireo,

Ary i Tira s'i Filistia,

ary i Etiôpia sy ny hafa,

 

5- 'Zao no ambara momba ireo :

izy hono, teraka tao !"

I Siôna tsy tahaka izany :

"Ny rehetra no teraka tao !"

 

6- Ny Avo indrindra, ry Siôna

manamafy orina anao !

Hosoratany anatin'ny boky

ny vahoaka fa "teraka tao".

 

7- Ny andriana eran-tany,

toy ny zanakao tsisy hafa !

Izy ireo samy faly milaza :

fa ianao loharano niaviany.

 

8- Ry Siôna Vaovao,

aoka isaorantsika ny Ray

nosoratany ny anaranay,

azo antoka mandrakizay.

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102