Na ny Ray na ny Reny

1- Na ny Ray, na ny Reny
Na ny Ray, na ny Reny, na ny mpanabe rehetra,
'Zay milofo hahaolombanona ny zanaka amam-para :
diazanak'Andriamanitra, 'Lay Marina indrindra,
ka manomam-pihavanana hanjakan'ny fahamarinana !
Fiv : Miombom-peo lalandava amy Zanak'Andriamanitra
ny voaary manontolo sady feno sento lalina,
mba ho afaka am'izay rehetra toa mamatotra azy,
ary hahita ny Hazavan'ilay Andriananahary !
(Rom. 8, 1921)
2- 'Reo mpamboly ary koa ny mpiasa tanana rehetra
tsy mitandro hasasarana fa ain'ny Tanindrazana :
dia Zanal'Andriamanitra, 'lay tia fihavanana,
ka manomam-pahamarinana hanjakam-piraisan-kina !
3- 'Reo mpitsabo sy mpikaroka tsy mionona amy vintana
hanavao ny eto an-tany tsy handevozim-pahafatesana
dia Zanak'Andriamnitra 'lay Velona tokoa
mba hamelona firaisan-kina feno fahafahana !
4- 'Reo nanaiky hampiely izay mitranga eran-tany,
mampiray ny rehetra amy ny ezaky ny hafa :
dia miombona amy Tompo, 'lay nanaiky ho tonga nofo,
mba hampisy Fahafahana ao anty Fiadanana !

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718