Miverena ianao, � ry mpanota �,
Izaho ny fiainanao, izaho no lalanao,
Izaho Tomponao no fahamarinanao ;
Miverena ianao, fa izaho no miantso anao.
1. Tonga aho hanome fiainam-bao anao (miverina...)
Tsy ho faty ianao raha izaho no iainanao ;
Sitraky ny Ray ny hahavoavonjy anao, (miverina...)
Ho hafaliam-be ny fiverenanao.
2. Tonga aho ho anao, hanoro lalana, (miverina...)
Tsy ho very ianao raha toa manaraka ahy ;
Sitraky ny Ray ny hahavoavonjy anao,
Ho hafaliam-be ny fiverenanao.
3. Tonga aho hiaro anao, hisolovava anao, (miverena...)
Raha tia ahy ianao, tsy homelohina ;
Sitraky ny Ray ny hahavoavonjy anao,
Ho hafaliam-be ny fiverenanao.