Misy didy tena tsara

1. Misy didy tena tsara

‘Zay nomen’ny Tompo hoe :

Mba mifankatiava tsara

Ianareo ‘zay mino e !

Ka miraisa, zao no didy lehibe.

2. Tonga Jesoa mba hanompo

Sy mba hampihavana :

Tsy mpanaraka ny Tompo

‘Zay tsy tia namana.

Ka tadiavo zay ho fampiraisana.

3. Fa iray tokoa ny loha,

Dia i Jesoa Zanaka,

Endriky ny Ray Tsitoha

‘Zay halaina tahaka.

Tsy ho resy, raha miray ny tafika.

4 . Jesoa no ‘lay foto-kazo

Tena voaloboka ;

Ka ny sampana halazo,

Raha tafasaraka.

Ikambano ka aza mba mihataka.

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101