Mihelina Avokoa

1. Mihelina avokoa
Ny hoby sy ny laza
Tsy misy tsy ho hadino

Zay noderaina fahiny
2. Mihelina avokoa
Mandalo vetivety

Izao tontolo izao

Sy ny hareny rehetra
Ny lanitra no misy
reo zava-tsoa mateza

Anjara lovansika
mandrakizay doria

Ry Jesoa Tomponay
mba ento izahay

Hitoetra akaikinao
mandrakizay doria
3. Mihelina avokoa
Ny filibĂ na rehetra
Poizina manimba nofo
Loza manimba fanahy
4 . Mihelina avokoa
Ny fahoriana rehetra
Mbamin’ny fahafatesana
Zay atahorantsika.
 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0818