Miara-dalana amintsika ny Tompo

Miara-dalana amintsika, isan'andro e ny Tompo

Anatin'ny hafaliana, anatin'ny manahirana,

Ly rô anilantsika

Tsy ho avelany ho irery antsika

Ny fitiavany tsa mba ho afaka amintsika (x 4)

1- Tsa tadiavin-davitsa iy !

    Fa tena mariny atsika

    Tsa aia fa eo anivontsika eo

    Feny tsa nisy nanavisa,

    Tokana ny Raintsika,

    Vana olo raika atsika

    Mpianakaby !

    Eko tano soa re ny fihavanana

2- Tsa mba misaraka amintsika

    Ny Fanahin'ny anatintsika

    Nahoana ke ro vô misalasala

    Tsa mba miova ny fitiavany

    Atsika efa nanjary havany,

    Zanaka an-dranon-dRainy !

    Atsika ro iraka,

    Vavolombelona hampahilalany ny fitiavany

3- Aha laitsa miandrandra,

    Ny lanitsa ambony any 'tsika

    Jahao ireo sahirana, ireo mahadinaina :

    Tenanay koa ireo

    Mamelona atsika ny tenany;

    Mampahery antsika ny tarony

     Ano hiara-dia, hanavao ny tany

    Fa samy manana ny hainy... 

 

Hametraka hevitra

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102